Ho Anao

Asafia Ambodihady

Ho Anao


Ny aiko sy ny saiko ho Anao
Vonona aho hitory ny asanao
Ka na inon-sedra hanjo
N’iza n’iza hikendry hahavoa
Vonona aho hampiely ny Anaranao
Toetra izay mamery tsy ho toa
Ditraditra ireny hafoy avokoa
Vonona aho haneho Anao
Amim-pihetsika atao
Ho hita taratra fa soa ny anilanao


Mino aho Jesoa fa hihazona ahy hatrany Ianao
Hahery hampiely ilay fitia
Izay nozarainao ho anay ety
Hampihiratra ny dia


Faly aho Jesoa navotanao
Niala tamin-dratsy nampitalaho
Nodiovinao ho soa
Voataona mba hamoa
Ka hamafy hilaza ny hatsaranao


(Mino aho Jesoa fa hihazona ahy hatrany Ianao
Hahery hampiely ilay fitia
Izay nozarainao ho anay ety
Hampihiratra ny dia)x2
Ouh….


A/C: Andriamiadamahatratra Antra


·