Ho anao

Billy Vahatra

Ho anao


Aingam-panahy niserana kely
Vao tsy ela teo
Namboariko ho tononkalo
Dia nasiako feo
Dia nanjary lasa hira
Atolotro anao
Hanome fifaliana sy fiainam-baovao
Hitahiry hafanana ao anatinao
Ka ho hery itana ireo dina natao


Te handalo aho hijery anao
Te hampiantso aho hahita anao
Indrisy e lavitra ny elanelan-tany
Ka ny hirako ho anao no soloko any.
Ho anao (x3)


Fanantenana, fiandrandrana ity hira ity
Hananatra ahy, hanafatra anao hanaja fitia e
Ka ny hirako hiraina vetsoy lalandava
Satria izy no handresy izay mitady handrava
Ireo hirako henoina, raiso ao am-po
Fa tsy laitra ho vonoina ny antsika roa


Tononkalo nanjary hira
Tsy angano, tsy arira
Fa hamelana hamoa fitiavana iray
Hofatoran’ny fo ho mandrakizay
Ho anao (x 3)


·