HO ANAO
Vlm Ampitatafika
HO ANAO
Fitia tsy manam-paharoa
Ny fitiavanao Ry Ray
Nomenao ilay tokanao
Mba hisolo voina anay
Niaretany avokoa
Kapok’eso latsa koa
Eny ny aina mihintsy no
Nafoiny ho avotray
Sarobidy Jesosy o
Ny fitiavanao anay
Ny ranao izay latsaka
Nahadio nahafaka
Hafa raha samy fitia
No natolotry ny Ray
Fitia tsy manam-paharoa
Ho anao sy ho ahy koa
Misy fo mitempo ho anao
Olona o, handeha izahao
Jesosy fitiavana
Aza atosi-tanana
Ho anao sy ho ahy koa
No nahafatesany
Nitondrany ny mangidy
Porofom-pitiavany
Sarobidy Jesosy o
Ny fitiavanao anay
Ny ranao izay latsaka
Nahadio nahafaka
Hafa raha samy fitia
No natolotry ny Ray
Fitia tsy manam-paharoa
Ho anao sy ho ahy koa