Ho aiza ianao
azofi fjkm ambohipo
Ho aiza ianao
1/Ho aiza ianao ry ambanilanitra
Lalana roa ihany no isafidiananao
Ny helo sa ny fanjakan’Andriamanitra
Fa ny misabaka kosa tsy azo atao
2/Tsisy ifandraisan’ny Kristy sy beliala
Fa ny valinteny aoka ho eny na tsia
Mihevera ianao izay efa mahalala
Ny ankoatr’ireo anie fihatsarambelatsihy
3/Aza dia variana manjeny ny andro lava
F’efa antomotra ny fihavian’ny Tompo
Reseo ny aizina aoka hanjaka ny mazava
Ny fiainam-panahinao katsaho re mba hitombo
Ref: Koa dia mankahalà ny ratsy e
Mifikira amin’ny tsara e
Mitandrema sao lany vatsy
Ka tsy ho tody soa any am-parany any