hizara fiainana

azofi fjkm ambohipo

hizara fiainana


Ô ry namako ô andeha hizara fiainana
Fa ny tena fiainana, fanazavana ny olona
Iza indray ary no hany azo itarainana
Fa tsy isika izay fanjakampisorona


Andeha ary hitory ny teny fikasana
Hilaza fiainana ao amin’i Jesoa irery ihany
Aza tia tena na koa mihanahana
F’izany anie no antom-pisianao eto antany


Efa nahazo maimaimpoana ianareo
Ka mizara toy izany amin’ny hafa koa
Maro no miantsoantso hoe avia jereo
Izarao fiainana fa mafy ny manjo


·