HIVERINA AMINAO

Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa

HIVERINA AMINAO


Ny hadisoana vitako ifonako aminao
Irao ota sy ireo ditrako mba ho diovinao
Neniko avokoa ireo lasako taloha
Ankehitriny hiverina aho ho olom-baovao!


Ny foko raiso anjakao, ny tenako atolotro Anao
Raiso aho fa aza lavina , izao anio izao hiverina aminao!


Tantano tsy ho solafaka ity mpanomponao
Omeo ilay hazavana soa hitarika ahy izao
Ianao no heriko , Ianao ry Ray Tsitoha!
Zay miara-dàlana aminao tsy hanan-tahotra


Na lavitra ny diako matoky aho fa manana Anao Ray ô
Ho tody an-dapasoa fa miaraka aminao sy eo anilanao!


RAKOTONIAINA Rija (2022)


·