Hiverina aho

Bodo

Hiverina aho


HIVERINA AHO


Nilaozako ireo kaloko
Fa nifindra lasa lavitra
Dia nipitra teo ianao
Nanembonembona tsiahy


Fantatro fa tsy ho zakako
Ny tsy hieritreritra anao
Nefa kosa tsapako
Fa tsy hanadino ianao
Tsy hanadino ahy


Hiverina aho
Fa malahelo mafy anao
Ny endrikao mibahana ao antsaiko ao
Ny fo tsy tony raha tsy eo ianao
Ny ranomasoko
Mipotrapotraka fa manina anao
Fa fitiavana tsy hay kobonina
No fanainga lavitra


Mba tsy afako
Ilay fitsikinao
sy ny angotinao mandrotika fanahy
Na niniako hilaozana aza
Dia voatahiry am-po
Sy tsy afaka ao an-doha
Nihevitra aho tsy hilaza aminao
Ka raha lasa izaho tsy hierika intsony
Nefa kosa tsapako fa tsy ho foiko ianao
Tsy foiko ianao


Hiverina aho
Fa malahelo mafy anao
Ny endrikao mibahana ao antsaiko ao
Ny fo tsy tony raha tsy eo ianao
Ny ranomasoko
Mipotrapotraka fa manina anao
Fa fitiavana tsy hay kobonina
No fanainga lavitra


Hiverina aho
Fa malahelo mafy anao
Ny endrikao mibahana ao antsaiko ao
Ka hiverina aho
Satria izaho sy ianao no tia


BODO


·