Hiventso anao aho ry Siona

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Hiventso anao aho ry Siona


I. Raha i Siona no resahina
Dia tsy afaka ny hangina aho
Raha i Salema no tenenina
Tsy ho tafapetraka aho
Raha tsy ny fahamarinany
No miposaka mazava
Raha tsy ny famonjena azy
Hamiratra toy ny fanilo


Ref: Hiventso Anao aho ry Siona ô
Aleloia, Aleloia!
Hatramin’ny fara fofonaiko
Aleloia, Aleloia!


II. Ho hitan’ny firenena
Ny fahamarinanao ry Siona ô
Anarana vaovao no iantsoana Anao
Ilay tiana no anaranao
Satria tia Anao ny Tompo
Tsy hitsahatra hiventso
Ny anaranao aho ry Siona ô
Hiventso Anao aho ry Siona


© Vetson’i Siona


·