Hitory an-kira

None

Hitory an-kira


O indreto izahay ry Tompo
Tanoran’ny Fiangonanao
Vonona izahay hanompo
Hidera sy hankalaza ny Anaranao


Hitory an-kira hatrany
Ireo hafatra sy didy izay napetrakao
Hatrany am-paravazantany
Hitory sy hanambara ny Fitiavanao


Na ho mora na ho sarotra izany
Dia tsy ho kivy fa hanompo hatrany
Na eo aza ny asan’ny satana
Dia tsy ho kivy fa matoky ny Fanahy Masina


Hitory an-kira hatrany
Ireo hafatra sy didy izay napetrakao
Hatrany am-paravazantany
Hitory sy hanambara ny Fitiavanao


·