HITORY AN-KIRA
Amboaram-peon'i Md Joseph Saharoaloha Antsirabe Bevokatra
HITORY AN-KIRA
รด indreto izahay ry Tompo
Tanora ny fiangonanao
Vonona izahay hanompo
Hidera sy ankalaza ny anaranao
Hitory an-kira hatrany
Ireo hafatra sy didy izay napetrakao
Hatrany am-paravazan-tany
Hitory sy hanambara ny fitiavanao
Na ho mora na ho sarotra izany
Dia tsy ho kivy fa hanompo hatrany
Na eo aza ny asan’ny satana
Dia tsy ho kivy fa matoky ny Fanahy Masina
Hitory an-kira hatrany
Ireo hafatra sy didy izay napetrakao
Hatrany am-paravazan-tany
Hitory sy hanambara ny fitiavanao