Hitondra maraina

Feon'Kalvary

Hitondra maraina


HITONDRA MARAINA
Ry namako moa mbola mitoetra ao am-ponao ve ny fanantenana
Fa ho avy indray tsy ho ela ny fetra hamongotr’aizina sy fahotana
Ho avy tokoa lay Mpanjaka Tsitoha Hamaly anao arakany asanao
Zay efa niandry hefaly tokoa Fa ho avy izany maraina vaovao


Eny, tsy maintsy ho avy, ho avy ny Tompo
Izy ilay nandrandraina, efa nantenaina
Eny, tsy maintsy ho avy handray reo nanompo
Ho avy tsy ho ela intsony hitondra maraina x2


Moa reo adidy atao isan’andro
Manindry mafy tokoa sesilany
Raha indro takona ny masoandro
Moa ny fonao mbola hatoky azy hatrany
Hiverin-dalana ve sanatria, fikiro hatrany lay Mpamonjy zoky
Aoka hahery, tohizo ny dia
Ö Mahareta, ka raiso ny toky hoe:


Eny, tsy maintsy ho avy, ho avy ny Tompo
Izy ilay nandrandraina, efa nantenaina
Eny, tsy maintsy ho avy handray reo nanompo
Ho avy tsy ho ela intsony hitondra maraina x2


·