HITANTANA ANAO
Rantsana Fanantenana - FJKM Ambaniala Malala
HITANTANA ANAO
Hitako sy reko
Ireo fitarainanao
Ireo lasa sy tomany
Eny reko isan’andro izao
Ka ny tahotrao zao
Soloy finoanao ahy
Eo anilanao aho
Hitony ny fonao
Tsapako ‘reo jaly
Ireo ahiahinao
Ireo sento mety hameno
Sy mahavaky ny fonao
Ka ny tahotrao zao
Soloy finoanao ahy
Eo anilanao aho
Hitony ny fonao
Hitantana anao
N’aiza alehanao
Ny fitiavako tsy lany
Tànana mahery
No hitondra anao
Mitoera anilako hatrany
Izaho no hiahy anao
Eo anilanao aho
Hitony ny fonao