Hitambatra

Rianala fy aro

Hitambatra


Efa ampy kosa angamba izay
Ilay fitsapana mivaivay
Ka tapa-kevitra ny fonay
Ny hitambatra ho iray
Malala o….aza manahy
F’efa resy ilay fakam-panahy
Izaho ho anao ianao kosa ho ahy


Ref:hiara-dia,hifankatia
Tsy ho rava sanatria
Ifampitaiza hifampikolo
Sanatria raha hoe hisolo
Fa ianao ihany
Na tsiky n’a tomany
Iaraka aminao hatrany hatrany


Ilay dîna nifanaovanay roa
Apetraka aminao ilay Ray Tsitoha
Ilay mpitsilo sy mpiaro
Sady mpanome soa
Mbola IANAO ihany koa
No nampitambatra ireto fo
Nofinofy izany ho hisara-droa


Ref: hiara-dia,hifankatia….


·