Hitako ny lalantsara
Groupe Finoana
Hitako ny lalantsara
Fiv : Hitako ny lalantsara ka hizorako
Azoko ny famonjena ka ho tànako
Tsy hivilivily intsony izany diako
F’hiroso hatrany , hatrany am-paran’ny tany(X2)
1-Na ho aiza ny lalana mbola haleha , tsy maintsy miroso
Tsy mahazo mitsaoka an-daharana koa, satria mpanompo
F’izay koa ilay voady natao tamin’ny TOMPO , tsy maintsy hefaina
Satana dia faly mamingana foana, fa aza malaina
Fiv: Hitako ny lalantsara…
2-Koa matokia ry mpanompo matoky fa tsy maintsy mpandresy
Fa ny sedra sy ny fitsapana natao mba hanefy
Koa aza taitra na koa mikoropaka ianao ny amin’izany
Fa ny vavaka sy ny finoana no ataovy matanjaka tsara
Fiv: Hitako ny lalantsara…(X2)