Hiroso hatrany

GAFLI

Hiroso hatrany


1-
Ny hira izay asandratray ry Ray
Ho fiderana Anao ry Tomponay
Noho ilay fahasoavanao
Narotsakao mba ho anay


Ref:
Tsy hitsahatra ny fiderana Anao
Fa mbola hitohy hanaka-danitra
(Ny anaranao) Ny Anaranao irery anie Jesoa
No torinay hatrany am-paran’ny tany


2-
Ny andro mbola Omenao anay Jesoa
(Ny andro mbola omenao)
Fenoinay fankalazana Anao
(Fenoinay)
Satria Ianao mpamindra fo
(Satria Ianao Jesoa)
Be fiantrana ihany koa


“Hiroso hatrany, ho Anao mandrakizay”


·