Hiriko raha ianao
SLK Ambohidroa
Hiriko raha ianao
Ny fahitako anao, Olona tsy ahoana tsy ahoana
Ny fiheverana anao, Dia olon’ olom-poana
Toa hoe tsy manan-tanjona, Tsy vonona hibanjina
Mihaotra ny hijoro, matahotra ny hikoro
Nefa ny fihevitra, Dia maha-talanjona
Hiriko raha ianao, no hizara ny hafatra
Indrindra hoan’ireo, tsy mahafantatra
Ho an’ireo tsy mino, sy minia manadino
tsy mahalala akory ny fandriky satana
Koa ny herinao ry Tompo, No angatahana hiasa
Mba hahafan’izy ireo, mijoro hamita ny asa
Dia ny hitory sy anambara, ny filazantsara
Mba tsy ho very, Na hijanona ho tantara