HIRAN'NY MPANAZAVA
Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
HIRAN’NY MPANAZAVA
Manambara fiainam-pifaliana
Ny Mpanazava no miantrana eto izao
Ny nosinay sy ny fianakaviana
no omena hery sy aina vaovao
Fa saina matotra hanampy herin-tena
fanahy vonona hanao asa soa
entanin’ireo lalàna fanekena
no hampijoro antsika tokoa
Ireo androsoan’ny hoavim-pirenena
Ny Mpanazava no antok’izy ireo
Matoky isika satria manantena
ho an’i Kristy hitaratra eo!