Hirahira sy mozika

Nanie

Hirahira sy mozika

Hirahira sy mozika
No iriko indray hiarahantsika
Fa ampy ahy izay fitiavana notantaraina izay
Hirahira sy mozika
Ilay korana tsy tiako hangatsiaka
Ilay fitia izay nandaniana andro avelao any

Tsy nampoiziko androany ny hihaona aminao
Fa raha tsy izany nanangonako vaovao
Niaraha-mitafa
Namenoana banga teo an-tokotany teo
Ka ny lasa efa tany no naverina indray
Notantaraina hovisaina handreraka aina
Ndao soloina kalo
Hanadinoana izay rehetra efa nandalo

Hirahira sy mozika
No iriko indray hiarahantsika
Fa ampy ahy izay fitiavana notantaraina izay
Hirahira sy mozika
Ilay korana tsy tiako hangatsiaka
Ilay fitia izay nandaniana andro avelao any

Aleo hiova ny androany
Tsy ho toy ny mahazatra
Ka ny mozika sy ny kalo ho tompon-daka
Ny olana fitia
Tsy hibahan-toerana fa avela an-jorony eo

(Interlude)

Hirahira sy mozika
No iriko indray hiarahantsika
Fa ampy ahy izay fitiavana notantaraina izay
Hirahira sy mozika
Ilay korana tsy tiako hangatsiaka
Ilay fitia izay nandaniana andro avelao any

(Hadinoy any ajanony any)
Ny resaka fitia (ny resaka fitia)
(Hadinoy any ajanony any)
F’aleo indray mozika

·