HIRAHIRA MAMY

Ny any aminay

HIRAHIRA MAMY


Amin’ny andro harivariva
Eny amoromoron-drano
Ny feonao nokaloina
Sady nivetsoana angano


Zary toa mamelom-bolo
Nitondra hery vaovao
Ny voary manontolo
Rehefa miaraka aminao


O ! ry hirahira mamy
Ry fisiokam-borondia
Ndeha miely eran-tany
Ho an’ireo mpifankatia
Ry mpitondra fifaliana
Eny an-tsefatsefa-bato
Hatreny an-tany fiadiana
No hikaloana anao tsy miato


Soa tokoa fa nisy ianao
Horenesina eny ho eny
Nitondra rivo-baobao
Feno bitsika sy teny


Fa asa re hanao ahoana ?
Raha izao tontolo izao
Ka hoe mandritra ny erintaona
Ka tsy ahenoina anao


O ! ry hirahira mamy
Ry fisiokam-borondia
Ndeha miely eran-tany
Ho an’ireo mpifankatia
Ry mpitondra fifaliana
Eny an-tsefatsefa-bato
Hatreny an-tany fiadiana
O ! ry hirahira mamy
Ry fisiokam-borondia
Ndeha miely eran-tany
Ho an’ireo mpifankatia
Ry mpitondra fifaliana
Eny an-tsefatsefa-bato
Hatreny an-tany fiadiana


·