Hirahira (feat Rijade)

Samoela

Hirahira (feat Rijade)


Ngôma, lavitra anao, ehiii
Mangina araiky tsy haiko raha ataoko
Tsy haiko, hitako ela hiaviako,
Tsy andriko intsony hipodiako
Ankilanao mahasambatra ‘zaho


Faly ny ao anaty foko ao
Sambatra aho fa manana anao
Mientanentana avokoa ny rehetra
Ianao no tiako tsy misy fepetra
Na lavitra ny misy anao any
Ny foko sy ny saiko efa any
Manantena an’ilay indray andro any
F’efa elabe mihitsy aho tsy niaina an’izany


‘Zaho koa malala ô, ravoravo ny fo
Vao mandre anao ô, lasalasa ambiroa
Soa fa nisy ny feo, soa fa nisy ny sary
Hihaonako aminao any e
Fa na misy alahelo na sarahan’ny tany
Io tsy ho ravan’izany e.


Efa lasanao any e, ny hafaliana
Navelanao teto, sovenira
Efa fomban’ny tany e, indraindray mangina
Ka aleo tsy misento fa hirahira


Efa tsy ela ‘zaho ho avy


Efa lasanao any e, ny hafaliana
Navelanao teto, sovenira
Efa fomban’ny tany e, indraindray mangina
Ka aleo tsy misento fa hirahira


·