HIRA HO FIDERANA

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

HIRA HO FIDERANA


Hira ho fiderana, hira ho fankalazàna
Indro asandratray ho Anao ry Tomponay
Ny hafaliana mameno ny fonay
Jesosy Tompo mpanjakanay
Jesosy Tompo mpamonjinay
Ny fitiavanao sy fahasoavanao
Ny mino Anao de natao ho havanao


Ventesinay ny hiram-pifaliana
Ventesinay ny hira fihobiana
Midera Anao mitsaoka Anao izao


Fa Tompo Andriamanitra tompon’ny lanitra nidina tety an-tany ianao ×4


Fiadanana be (fiadanana be)
Sy fahasoavana (sy fahasoavana)
No nentinao ho anay (ho anay e)
Tena fitiavana (fitiavana)
Lehibe ny fitiavana izay natolotrao


Ianao no Tompo Tsitoha
Mpamonjy mpanavotra koa
Ny ota voavela avokoa
Ka indro voadio tokoa
Nanetri-tena tokoa Ianao
Fa ny ambany nasandratrao
Izahay izao mino ny asanao
Ho famonjena izao tontolo izao×3


·