Hira faneva faha 45 taona STK FOIBE

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

Hira faneva faha 45 taona STK FOIBE



  1. Aminao tanora ny hery ka andeha
    Ho isan’ny mpitory ny tenin’i Jesoa
    Aminao ny hery ka mahareta re!
    Ho isan’ny mpamonto ny teny mahasoa.


Fiv. :
Aminao tanora ny hery nefa kosa
Izay nianaranao hiareto ho tontosa
Aminao tanora ny hery nefa izao
Tano ny finoana nampinoana anao!




  1. Aminao tanora ny hery ka tandrovy
    Ho masina hatrany ny antso niantsoana
    Aminao ny hery ka tano sy tsarovy
    Ny asa fanompoana mipetraka anoloana!




  2. Aminao tanora ny hery ka faingana
    Ho tanjaky ny mpino sy ny ny fiangonanao
    Aminao ny hery ka etsy mandehana
    Itondray fanilo izao tontolo izao!




·