HIRA FANEVA FAHA-25 TAONA OFS Anosivavaka

Miantsan'ny Zava-boa'art Anosivavaka

HIRA FANEVA FAHA-25 TAONA OFS Anosivavaka


HIRA FANEVA 25 TAONA
Ordre Franciscain Seculier Anosivavaka


Taon-jaobily izao no diavina
Ambanin’ny fiarovan’i Md Fransoa
Taom-pahasoavana tsy hay adinoina
Ho marika hatrany hoe mijoro ny finoana
Ka na amin’ny mora, na amin’ny sarotra
Fiadanana, hafaliana no handrakotra


Fiv :
25 taona izay no nodiavina
25 taona hitsingerina
Izy Tompo no niandohana, Izy koa no hiafarana
Mirafeta eo Aminy fa Izy no vato velona
I Md Fransoa ho Ray mpitarika
Hanaja zava-boaary endrik’Andriamanitra
Fahantrana, fanekena sy fahadiovana no ho kendrena


Hitombo isan’andro ny soa horatovina
Amin’ny alalan’ny Pretra nanaiky hanovozana
Tsy ho taona handalo na tsaroana fotsiny ihany
Fa hanehoana finoana, hanamafy fatorana
Hitondra ny Evanjely eo amin’ny fiainana
Ary ny fiainana ao amin’ny Evanjely


Hisaorana ny Ray, Zanaka sy ny Fanahy
I Masina Maria, Reny tia, ka tsy hanahy
Ilay zoky sady Ray mpanorina, i Md Fransoa
Fiorety ho ravaky ny fikambanana
Tanora fransiskanina ho fanilo fanasina
OFS ho ohatra hanabe, hampiombona


·