Hira Faneva
Hanitr'ilay Fo Tia
Hira Faneva
- Ny fonao ry Jesoa Kristy o
No hitoeran’ny famindram-pon’ny Ray Tsitoha
Hanovozan’ny mpino ny fitiavana tsy misy fetra
Koa midera Anao, mankasitraka Anao’zahay
Ref: Jesoa o ny Fonao tia no tokinay
Ny Fanahy Masina no fanilo mpanazava
Ny fiangonana no Reny mpitari-dalana
Hanitr’ilay fo tia, Fihavanana sy Fiadanana
Ny fonao ry Jesoa Kristy o
No ilay voalefona noho ny otanay
Ka zary famonjena ho an’izao tontolo izao
Ho voninahitr’Andriamanitra tokana Olona telo
Ny fonao ry Jeso Kristy o
No mampiray ny zandrinao ho hery iray
Hampahafantatra Anao hatrany am-paravazan-tany
Miaraka amin’I Maria sady Reninao no Reninay