HIRA ATOLOTSAY

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

HIRA ATOLOTSAY


Hira e ! hira ro atolotsay, mba ho fiderana ho fiderana anao
Hira e ! mba ho fisaorana fa ianao mitahy mitsinjo ny olonao


1- Agnao nanome fiadanana ho amin-draolombelona
Edena Paradisa ro nisy anay
Tsa nisy izay nampijaly na loza nanelingelina
Fa heniky ny fahasoavanao


2- Indrisy fa ny olombelona ako tsa mety afapo
Nilatsaka tanatin’ny fahotana
Agnao Andriamanitsa naniraka n’i Jeso
Lay zanakao ho famonjena anay


Hira e ! hira ro atolotsay, mba ho fiderana ho fiderana ano
Hira e ! mba ho fisaorana fa ianao mitahy mitsinjo ny olonao


Nadio tokoa ny fahotana
Ny ratsy aby efa nialana
Ny masonay mahiratsa satria efa mahalala
Ny fahamarinanao Jehovah Ray


Misaotsa e ! Andriamanitsa Ray, Mihoby anao anay ry Jesoa
Ankasitrahana ny Fanahy e ! Agnay de sambatra nahazo soa.


·