HIRA
Ny Safidy
HIRA
1- Fiderena avo ’lay Tomposoa
Mampahery indray ireo mamoy fo
Fitsaharana sy toe-po vaovao
Mampadositra ny toetra ratsy ao.
2- Mampanahy anao ve ny fiainanao,
ny aretina sy ireo olanao
vahaolana hatolotra ho anao
ampiharo anio dia indro ho hitanao.
Ref : Hira no ambara, io no maha tsara.
Feo hasandratra ho an’Andriamanitra
Ndeha isika ary hihira mafy koa
Hiara hanandram-peo ho an’ilay Tomposoa,
Ka fitsaharana sy fiainam-baovao
No fiainanao raha velon-kira izao