hira

None

hira


Ny hira izay kaloiko eto anio izao
Ho fiderana Anao Jesosy Tompoko
Izay vokatry ny foko no atolotro
Hanandratra ihany koa ny Voninahitrao
REF Ny Fitiavanao no toriako
Ny Fahasoavanao tsara tokoa
Izay arotsakao ry Tompo Tsitoha
Ho an’ izay rehetra mino sy manoa
Ka hira no ataoko ho fisaorana
Tsy takatry ny saiko ny haben’ ny asanao
Ka hira no ataoko ho fiderana
Tsy takatry ny saiko ny haben’ ny herinao


Ny fifaliana izay ao anatiko ao
No zaraiko aminao izay manatrika
Ka ny Dera laza sy voninahitra
Dia ho Anao irery Andriamanitra
REF
Bridge
Ho anao mitady hasambarana
Amizao fiainana izao
Fijaliana tsisy fitsaharana
No manjo izao tontolo izao
Ka hira no ataovy ho fisaorana
Tsy takatry saina ny haben’ asany
Ka hira no ataovy ho fiderana
Tsy takatry ny saina ny haben’ ny heriny
Hira Hira Hira Hira


·