Hikatsaka fiadanana

Tanora Masina Itaosy

Hikatsaka fiadanana


Mamy ny ankohonana eo anatrehanao
Sy ny zavatra rehetra izay noharinao
Nefa mamy indrindra koa Ilay Jesosy Tia
‘Zay namindra fo anao mpanota sy mpania


Fifaliana, fahasambarana ve no iainanao ombieny ombieny ?
Nga hadinonao avy amin’iza moa ireny i! i! ?
Nefa izay rehetra tsy avy amin’Ilay Andriamanitra Tsitoha
Ario izao dia zao fandrao vao mainka hahavoa


Raha ny Ziogam-pahoriana mahakivy sy mampitomany
Lalana hizorantsika avokoa izany i! i! ?
Sady andrefesan’Izy Tompo ny Finoana ao anatinao
Ny faharetanao hanjary ho Fiainam-baovao


Raha te hikatsaka Fiadanana ianao
Dia ambony indrindra ny amin’ny fanahinao
Moa mba fantatrao ve ny amin’Ilay Kristy
Izy no fiadanana mandrakizay doria


Diso hevitra ianao raha ny fiainana eto an-tany
No hiantorahanao sy hifikiranao hatrany i! i!
Ity tany ity anie ka manam-pataperana sy mety lo
Tsy azo antenaina fa tena mamitaka tokoa


Sao dia tsy fantatrao fa izany Jesosy izany
Dia mbola mifona ho antsika an-danitra any i! i!


A/C : SDN


·