Hikalo
Serviak
Hikalo
Hey hey hey !
Kanto hasetrin’ilay lohataona
k’izahay hikalo, hifaly, handrato haravoana
Ka andao hanaraka ny diako n’aiza n’aiza
mba hihazo izao,
‘Zao faritra rehetra izao mbola tsy nolalovanao
Hey ! Atsimo Atsinanana eh
hiarahabako anao ’lay ry masoandro vao maraina
Hey ! Eh ! andrefana Avaratra eh
Faniriako hiara-hifaly hariva hatramin’ny maraina aminao
Hey ! Hey ! Hey ! Hey !
Raha ho alaiko mba ho antsika iindray ’lay fotoana
Moa tsy ho faly va ianao ? ho re feo ho ren’ny havoana
Velombelon-kira
Rivo-baovao indray re no hitondrako anao
Tsiky hehy alin-kisa ,tsiky hehy hey hey hey hey
Hey ! Atsimo Atsinanana eh
Hiarahabako anao lay ry masoandro vao maraina
Hey ! eh ! Andrefana Avaratra eh
Faniriako hiara hifaly hariva hatramin’ny maraina
Hey ! Atsimo Atsinanana eh
Hiarahabako anao lay ry masoandro vao maraina
Hey hey ! andrefana Avaratra eh
Faniriako hiar’ifaly hariva hatram’araina aminao
Hikalo oh oh oh !
Hikalo oh oh oh !
Hikalo oh oh oh !
Hikalo oh oh oh !
Hikalo oh oh oh !