HIHIRA HO AN'I JEHOVAH

AMPIZIFA

HIHIRA HO AN’I JEHOVAH


Hihira ho an’i Jehovah aho
Hidera an’Andriamanitra
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika


Hihira ho an’i Jehovah aho
Hidera an’Andriamanitra
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika


Tsy ho takatry ny saina hanananay
Ny fahalehibiazanao, ô! ry Ray
Mahasambatra, mahafaly ny fonay
Ka mihira izahay


Raha jerena koa izato asan-tànanao
Toa manosika hanandram-peo
Hidera, hankalaza ny fahatsaranao
Masina Ianao


Hihira ho an’i Jehovah aho
Hidera an’Andriamanitra
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika …


Hihira ho an’i Jehovah aho
Hidera an’Andriamanitra
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika


Ry olona havako ô! moa ve tena tsapanao
Fa ny Tomponao tia anao
Tsy mamela anao ho very ety an-tany
Fa miahy sy mitahy


Tsy ny sentonao, na ny fahorianao
No hahakivy anao sanatria
Aoka ho tsapanao fa ‘Lay Ray tsy mba mandao
Tsy mba mahafoy anao


Hihira ho an’i Jehovah aho
Hidera an’Andriamanitra
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·