Hihira ho an'i Jehovah
GAFLI
Hihira ho an’i Jehovah
- Ny fahasoavanao ry Ray no mampijoro anay
Haneho fa tena ho iraka ho Anao mandrakizay
Hitory sy hilaza ny hatsaran’ny asanao
Dia tonga feno hery sy olom-baovao
Ka ireo talenta ‘zay efa nozaraina
Tsy alevina fa entina, omena ho ampiasaina
Ref: Hihira ho an’i Jehovah aho raha mbola velona koa
Satria Izy no ilay efa tia ahy taloha
Hankalaza an’Andriamanitro aho raha mbola miaina
Ka Izy ilay mpamorona sy mpiahy no ankalazaina
*Hihira aho mandra-pialako eto an-tany
Hihira aho raha mbola eto an-tany
Ka ho FEON’NY LANITRA ankasitrahana
- Ianao Fanahy Masina, isaoranay hatrany
Fa teo Ianao nanomba, nanefy sy niandany
Ka na dia maro aza ny rivotra nandalo
Ny miaraka Aminao tsy ho ravam-pahavalo
Mendri-piderana fa feno fitahiana
Asandratray am-bavaka, redoninay an-kira
Ref: Hihira ho an’i Jehovah … (x2)