Hihira ho anao

Antsan'i Fenomanana

Hihira ho anao


1-Tsy hitsahatra ny hisaotra anao
Noho ny famindram-ponao Tompo ô
Fa nomenao tombon’andro indray
Hanambara ny fitiavanao
Ka tolory ahy ny tananao
Mba hiaro sy hitantanana ahy


Refrain:
Sitrako ny hidera anao Tompo ô
Amin’ny andro rehetra hiainako
Hankalaza anao Tompo Tsitoha
Hankalaza anao amin’ ny Fo
Ka ho fifaliana ho ahy Tompo ô
Ny hihira ho anao


2-Ka na lavitra sy sarotra
izany lalana tsy maintsy aleha
Dia hiroso ampitokiana aho
Hisafidy ny hiaraka aminao
Fa ny eo ankaikinao Tompo ô
No hasambarana mandrakizay


Antsan’i Fenomanana

A/C : RANDRIANARIJAONA Henri
Album 5 " Hihira ho anao "
Fanevan’ny 40 taonan’ny Antsan’i Fenomanana


·