Hihira aho

S.T.K TARAPAHAZAVANA (FJKM Ifaliarivo Ambanidia)

Hihira aho


Hirahiram-panahy no enti-midera izao
Hirahira mitory ny famonjenao
Famonjena nahazoam-pahamelan-keloka
Ka azahoako mihirahira ny fitiavanao


Hirahiram-panahy no atolotro anao
Ho anao izay mbola velon’aina ety
Mampatsiahy anao fa tsy toa izao ianao
Raha tsy nohon’ny fitiavan’ny Ray be fitia


Ref: Hihira aho, hihira aho
Hihira ho Anao
Hihira ho Anao
Raha mbola velon’aina
Tsy maintsy hihira aho, hihira aho
Hihira ho Anao
Mandrampialan’ny fofon’aiko ry Raiko tia
Ary iriko hitohy hatrany an-danitra ary


·