Hihira aho

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Hihira aho


Heni-kafaliana aho ry Andriamanitra o
Fa narovanao sy mbola nontantananao
Tsy ny fahendreko fa ny fitiavanao
Ka hasandratro ny feoko hankalaza anao


O, o, o Andriamanitra o! hihira aho
Hihira fihiram-baovao, hihira ho anao
Ka hasandratro ny feoko hankalaza anao
Hihira ho anao aho ry Andriamanitra o


Andro sarobidy fa tsy manampaharoa
Ny andro anio ry Tompo Andriamanitra Tsitoha
Faly aho fa ny fikasako tanterahinao
Ka hasandratro ny feoko hiderako anao


·