Hihavana isika

Fangia Kalo Gasy

Hihavana isika


Hisy alahelo tsy ho afa-tomany e;
Hisy tomany tsy hilaozan-toreo ô;
Hisy toreo horontsonina ihany e,
raha ‘zaho no ho very
tsy ho havanareo.


Ny alahelo : tsy ho afa-tomany
Ny tomany tsy hilaozan-toreo
Ny toreo horontsonina ihany
Raha ‘zaho no tsy ho havanareo
Hisy ny helo eto an-tany reroy,
raha olona tiana … kanefa hafoy!


Hisy toloko hahaory tanàna e;
Hisy tanàna ho vonton-katsiaka ô;
Hisy ny hatsiaka tsy hisolo hafanana e
raha toa hifanary tsy hihavana isika.


Ny toloko hahaory tanàna
Ny tanàna ho vonton-katsiaka
Ny hatsiaka tsy hisolo hafanana
Raha toa tsy hihavana isika
Hisy ny helo eto an-tany reroy,
raha olona tiana … kanefa hafoy!


Hisy alahelo tsy ho afa-tomany ô
Hisy toreo horontsonina ihany ô
Hisy tanàna ho vonton-katsiaka e
raha toa hifanary tsy hihavana isika


A/C : Ny R. Fidimanantsoa


·