Hihaona aminao
Tarika Vonjy
Hihaona aminao
Ny fanatrehanao, ny fiandriananao
No faniriako miloatra avy ao am-po.
Ny voninahitrao mamirapiratra
Misarika ahy haniry fatratra
Hihaona aminao.
Ka ny fanahiko mangetaheta anao
Ny saina sy ny fo miandry mitalaho.
Raha toa ka mety ianao, na tsy mendrika aza aho.
Henoy izao faniriana izao.
Hihaona aminao.
Mba henoinao ry Ray izany fanirianay
Te hihaona eto izao hiankohoka hitsaoka anao
Tompo ô, miandrandra anao izahay.
Hidera anao ilay mpanjakanay.
Mba henoinao ry Ray izany fanirianay
Te hihaona eto izao hiankohoka hitsaoka anao
Tompo ô, miandrandra anao izahay.
Hidera anao, anio, mandrakizay.
Mankalaza anao ry Ray
tonga eto aminay
Dia ny voninahitrao mameno izao rehetra izao
Tompo ô, mitsaoka anao izahay.
Hidera anao ilay mpanjakanay.
Mankalaza anao ry Ray
tonga eto aminay
Dia ny voninahitrao mameno izao rehetra izao
Tompo ô, mitsaoka anao izahay.
Hidera anao ilay mpanjakanay.
Tompo ô, mitsaoka anao izahay.
Hidera anao ilay mpanjakanay.
Hidera anao ilay mpanjakanay.