Hifonako

Liva sy Nirina

Hifonako


Tsapako ny hatsaram-ponao ry Jeso ô !
tia ahy Ianao , ka tsy mandao
tsy foinao aho na tsy mendrika aza re
isan’andro Ianao dia mihevitra ny momba ahy
‘zay rehetra mahasoa ahy dia nomenao
f’izao no ninia tsy te halala izany


Lehibe tokoa ry Jeso ny fitiavanao
ka ny hasambatra ahy hatrany no katsahinao
saingy fahadalana no nasetriko izany
ka raha tsy voadona aho tsy mahatsiaro Anao
mifona re fa diso taminao aho Jeso ô ;hifonako ‘zay ratsy vitako
ity ny foko diovy mba ho afaka keloka ry Jeso ô !
ô avia mitoera ato amiko, ry Jeso ô ! mamindra fo amiko


Nanaiky hamonjy ahy Ianao ry Jeso Tompo ô
navelanao ny heloko, ka mahatonga ahy ho olon’afaka
fitia tsy manam-petra no natolotrao ho ahy
hatramin’izao , aim-baovao
Ianao ry Jeso ô! no fiainako


lehibe tokoa ……/ummmmmmmm………/lehibe tokoa………


·