HIDERA SY HANKALAZA

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

HIDERA SY HANKALAZA


Hidera sy hankalaza Anao zahay
Ry Tompo Andriamanitray
Fa noho ny fahasoavanao
No indro fa nahatoy izao
Ny fitahianao hatramin’izay
Ireo fahasoavana be dia be
Tamin’ny andro niainanay
Tamin’ny lalana izay naleha


Isaoranay ny anaranao (solo)
Isaoranay eh
Fa lehibe ny fitiavanao (solo)
Isaoranay eh eh
Dera sy laza ary voninahitra (solo)
Ho Anao ry Ray eh
Ho Anao ry Tompo Andriamanitray


Ny fahasoavan’Andriamanitra
No mbola nahatoy izao ahy
Ka mbola velona soa finaritra
Ravo ny saina sy ny fanahy
Jesosy Tompo efa nitantana
Niaro ny fiainantsika ety
Na sarotra aza izany lalana
Dia tody soa izany dia


·