Hidera Aho

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

Hidera Aho


Hidera an’i Jehovah aho, Hidera amin’ny foko rehetra aho
Hidera aho
Fa maro ny fahagagana nataony teo amin’ny fiainako
Hidera aho


Ho faly sy ho ravo aminao
Hankalaza ny anaranao masina
Ho faly sy ho ravo aminao
Hankalaza Anao ry Avo Indrindra ô


Soa marobe tokoa ry Ray no nomenao
Fa tena mbola velona ny aiko hatramin’izao
Devoly sy satana izay miseho ho fahavalo
Levonin’i Jesoa ka toy ny zavona mandalo


Ity tanora kely tsinontsinona akory
Satria tena mpanota ka tsy mendrika hitory
No indro efa nasandratra ho zanaky ny Ray
Ka mendrika hahazo fiainana mandrakizay


·