Hiaraka indray (feat Fanasina)

Tianasoa Razafindrabary

Hiaraka indray (feat Fanasina)


Tsaroako anio
Ny fiarahana taloha
Mifampivavaka sy nifampahery


Fifaliana foana
Rehefa oe hiaona
Satria samy zanaky ny Ray


Hiaraka indray
Hidera Azy
Hihira oe « Voninahitra ho anao »
Ho fo iray
Ny fanahy ho iray
Ho an’ilay mpanjakantsika


Tsy eto an-tany ihany
Fa hatrany an-danitra any
Ny fiderana hasandratra eto izao


‘Reo hirantsika ety
Hitohy hatrary
Satria samy zanaky ny Ray


Hiaraka indray
Hidera Azy
Hihira oe « Voninahitra ho anao »
Ho fo iray
Ny fanahy ho iray
Ho an’ilay mpanjakantsika


Fa kanto loatra ‘zao Tompontsika izao
Ô! tena mendrika ’lay haja avo indrindra
Mandrakizay


Hiaraka indray
Hidera Azy
Hihira oe « Voninahitra ho anao »
Ho fo iray
Ny fanahy ho iray
Ho an’ilay mpanjakantsika


·