Hiara-mandeha Aminao

Ny Feo Mamatonalina

Hiara-mandeha Aminao


Hiara-mandeha Aminao hatr’izao
Jesoa no iriko tokoa
O! Raiso ny tanako atsotr’Aminao
f.‘atolotro koa ny fo


Handroso isan’andro na aiza aleha
Na mora na sarotra hatao
Tsy hiala tokoa na hivadika re
ambara-pahatonga Aminao
Ambara-pahatonga Aminao


Hiara-mitondra Aminao hatr’izao
ny hazo fijaliana
Fa maivana izany raha anilanao
ka hody fifaliana


Hiara-miasa Aminao hatr’izao
hitady izay very koa
Ka hanana fo hantra toy ny Anao
hanarina ny lavo koa


Raha ho avy indray tsy ho ela Ianao
Izaho handao ny ety
Hiaraka amin’ny navotanao
handova ny lanitr’ery


Ho sambatra indrindra ho tretrika koa
hanatrika ny tavanao
Kanefa izay hifaliako tokoa
hiara-mitoetra Aminao
Hiara-mitoetra Aminao


·