Hiara-hihoby ny Olona Rehetra

Tvbroadcasting

Hiara-hihoby ny Olona Rehetra


1.Tomany ombieny ombieny,


Atopan’ny onjany eny.


Ny ady atao ihany, tsy hay ny hiafarany.


Mba te hiadana f’indrisy…


Tsy hita izay hombana,


Ny olana tsy azo ialana.


Vahaolana iray no homen’ny Ray:


Tontolo iray tena hisy!


(FIVERENANA)


’Zay eto an-tany


Ho iray ihany!


Dia amin’ny fo,


Hiray feo avokoa


Hihoby an’i Jehovah.


2.Tsy nofinofy izany,


Efa izay no fikasany.


Fa izy dieny izao dia hanampy anao,


Ny fiadanany hikoriana.


Ianao na mitaraina,


Ho tony, hilamin-tsaina;


Satria izy hamaha ’zay ahiahy,


Mandalo izay iadiana.


(FIVERENANA)


’Zay eto an-tany


Ho iray ihany!


Dia amin’ny fo,


Hiray feo avokoa


Hihoby an’i Jehovah.


(TETEZANA)


Hofoanan’i Kristy


’Zay nangeja hatrizay.


Ireo nodimandry ho velona indray,


Hiadana, hiara-paly,


Hanompo an’i Jehovah!


(FIVERENANA)


’Zay eto an-tany


Ho iray ihany!


Dia amin’ny fo,


Hiray feo avokoa.


’Zay eto an-tany


Ho iray ihany!


Dia amin’ny fo,


Hiray feo avokoa


Hihoby an’i Jehovah.


To ihany ny fikasany!


(Jolay 2023)


·