HIARA-DALANA

Groupe NAINA

HIARA-DALANA


Mitaraina ny tontolo
Fa miha-mafy hoa
Ny adim-piainana
Valaketraka daholo
Feno hakiviana
Mitaintaina


Aza adinonao anefa
Iaraha-manana
‘Zao mianjady izao
‘Zay mandalo tsy mitoetra
Mbola hifarana
Ka mitrakà ianao
Ka mitrakà ianao
Ndeha hiara-dalana
Ho any an-danitra any


Faly aho, tena faly aho
Mba iriko hiditra any ianao
Mbola averiko eto indray fa
Fifaliana hoa
Ny any an-danitra any


Mbola azoko antenaina
Azo itokisana
Fa hiova fo ianao
Aza kivy na malaina
Mba tsy ho tara
Ny fifohazanao
Ka mitrakà ianao
Ka mitrakà ianao
Ndeha hiara-dalana
Ho any an-danitra any


·