Hianareo

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Hianareo


Hianareo izay manaiky fa tsy nanda ny irak’ I Jesosy
Hianareo izay nanolotena ho mpianatry Jesosy
Hianareo izay mijoro ho vavolombelon’ I Jesosy
Hianareo eny hianareo no fahazavan’izao tontolo izao


Mitsangana hianareo o mandehana hianareo
Fa maro be izay mitoloko miantso mila famonjena
Hanjakan’ny fahoriana e handevozin’ny satana
Ka vonjeo fa mitaraina ireo namanao
Hianareo nanolotena ho mpianatry ny Tompo
Hianareo izay sahy mijoro ho vavolombelon’i Jesosy
Mandehana hazavao ny fon’ireo izay mitalaho
Mijoroa ka misehoa e mba ho fanatatry ny olona
Fa ianareo no fahazavan’izao tontolo izao


·