HIAINGA AHO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

HIAINGA AHO


Ranomasim-be manjepizepy
Fiainam-pahoriana misy loza be manjo
Aizim-pito, mampirepirepy
Aizin-tsaina sy fanahy koa


Ref. :
Hiainga aho, hianga ka handeha
Rahalahy maro no mila famonjena
Hiainga aho, hamaky haizim-be
Ka hitondra jiro hitady azy ireo


Misy ireo mahantra tsy mitafy
Misy mandry fotsy fa ny rano moa maria
Efa reraky ny ady mafy
Iza no hamonjy mamalia


Ao ireo mitady fahalalana
Nefa izay hampianatra azy ireo mba iza moa
Misy koa mitady fahazavana
Jamba na fanahiny na fo


·