Heriko ianao

Haingo

Heriko ianao


Mifaly aminao ny foko Andriamanitra o!
Fa niposaka ao taratry ny lanitra
Tononkalo vao no indro izao ateriko
Tompo o! Ianao,no tanjako sy heriko


Manazava ahy ny endrikao somamby
Ravo ny fanahy fa voatambitamby
Tononkalo vao no indro izao ateriko
Tompo o! Ianao,no tanjako sy heriko


Ny androko malia maratra raha atambatra
Toloranao fitia dia tony sady sambatra
Tononkalo vao no indro izao ateriko
Tompo o! Ianao,no tanjako sy heriko


Haingo sy Bessa


·