Herezo

Vanintsoa

Herezo


“Herezo” Vanintsoa & Tarantsoa


Raha noratraina ny fonao,
Nalaim-baraka koa
Vohizina haratsiana hoe izao sy izao
Etsy sy eroa
Tsy izany no hampahory na koa tsy ahitan-tory
Ka aza dia tomany e ! Fa fombany ihany izany
Ny fiainanao banjinina,
Aza asiana ninoninona mandoto ny sainao,
Raha nety izay natao
Fa ifikiro ihany, hifikiro hatrany hatrany
Izay tsara anananao ô ! Ny ratsy avelao


Réf:
Ny hakivikiviana aza atao ao an-doha re rahavako ô !
’ Ndrao hitolefika ianao ka ho lavo tsy ho tafarina
Herezo sy zotoy fa aza dia mamoy fo
Raha trotraka ianao dia ho iza no ho voa ?


Raha sendra tojo fahoriana
Finitapitak’ olontiana
Torovan’alahelo ny ao am-po fa tena tia tokoa
Tsy izany no hampahory na koa tsy hahitan-tory
Fa tsiky sy tomany anie ny fiainana eto an-tany
Raha maloka ny anio izao no tadidio
Mbola hisy hafanana hamonto indray ny akany
Fa hifikiro ihany, hifikiro hatrany hatrany
Izay tsara anananao, ny ratsy avelao


A/C Vanintsoa


·