Henoy aho #2 ( TANTARAM-PITIAVANA)
N-mir'o
Henoy aho #2 ( TANTARAM-PITIAVANA)
1- Ekeko hoe izaho sy ianao
vao nifankahalala tsy ela akory izay
tsoriko fa hatramizao
izaho tsy mety mahita tory
mieritreritra anao
lasa saina lasam-borona
fa ilay " tiako ianao" hoy ianao hoe tsy vonona aho
mamirifiry
Toa maizina avokoa akia ireo izay nodiavina
fa ianao no nanazava azy ny tena marina
Miangavy anao
eny mitalaho
mba valio aho
fiv:
Raha henonao zao
dia tsarovy fa ilay tia anao aty ka dia miandry
fotoana ahavonona anao
tsy “quoi” na dia tena aman-taona
fa izaho miandry
nefa henoy aho
misento lava isan’andro
mahatsiaro hoe manirery
eto ambaravarakely
mihaino ireo voronkely
Ny saiko tsy mety raha hoe mpinamana fotsiny ihany isika roa kely
2-Mba topio maso na dia segondra vitsy kely
fa efa ela loatra aho no niandry
hainao somary sadaikatra aho tsy sahy miteny
anefa androany hiezaka ny hihoatra izany
fa samy tsy manana olo-tiana ka tsy aleo ve miara-dia
fa izaho vonona hameno ny banga
tsy dia hoe maimaika loatra satria
efa firy taona izay isika no nifankahalala
mila anao ho namako aho
hizarako ny alahelo sy ny hafaliako e
raiso anie ny tanako hoĆ
anatrehan’ny lanitra: ianao no hovadiako e