Henoy

Antsan'ny Serafima Tangaina

Henoy


Henoy ny antso niantsoana anareo
Ry olo-panota tsy manam-pinoana.
Mba mitodiha ka ny Tompo jereo
Sao ho avy ilay andro ka hitoreo.


Nanafatra i Jesoa nanao hoe miambena
Dia mba mivavaha ka mahatsiarova tena
Ry olona jamba manao be marenina
Ho tapitra ny andro vao hanenina.


Ianareo no fahazavana
Ho tonga modelin’ny isam-baravarana.
Fanilon’ny tany hirehitra ambony
Hanjaka fitiavana ao am-pony.


Ianareo no fanasin’ny tany
Natao hitondra ny soa sy ny mamy
Malama ny tany ka mitandrema
Sao ho ratsy famindra ka hianjera.


Henoy ny antson’ny Tomponareo.
Ireo zava-maro izay efa niseho
No mba ekeo, dia mba jereo
Ilay Andriamanitra an-tampon’ny loha.


A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina


·