henoy

Chorale Taratr'i Maria

henoy


Havako ô , miantso anao ny Tompo
Havako ô ô ô, manantona Azy ianao
Toa kivikivy anao noho ny otanao
mila hamoy fo, valaketraka tokoa
mitamberina ao an-tsainao avokoa ireo ratsy vitanao taloha
mitamberina ao an-tsainao avokoa ka matahotra ny hanantona ny Tompo


Henoy, henoy ny Tompo miteny aminao
tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany
fa ny hialany amin’ny ratsy fanaony
Mila mibebaka isika, mila mivavaka
Fa ny Tompo Zanaharintsika mantsy tsy mba manavaka


Na hoe zanaka adala, tsy mba foiny
na ondry nania, tadiaviny
Na hoe zanaka adala, tsy mba foiny
ka miverena aza misalasala aaa
ou ou ou ou ou ou ou ou ou


Tsy tonga ho an’ny marina Izy fa ho an’ny mpanota mba hibebaka e


Henoy, henoy ny Tompo miteny aminao
tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrany fa ny hialany amin’ny ratsy fanaony
Mila mibebaka isika, mila mivavaka
Fa ny Tompo Zanaharintsika mantsy tsy mba manavaka


·